2007

# Posted on Thursday, 15 November 2007 at 5:08 AM

Edited on Monday, 19 November 2007 at 2:48 AM

Verset su jour : Lioka,22,1-6

Verset su jour : Lioka,22,1-6
"Ary efa mby akaiky ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay andro atao hoe Paska. Ary ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna dia nitady izay hamonoany an'i Jesosy;nefa natahotra ny olona izy.
Fa satana niditra tao amin'i Jodasy, ilay atao hoe Iskariota, anankiray tamin'ny roa ambin'ny folo lahy; dia nankao amin'ny lohan'ny mpisorona sy ny lehiben'ny mpiambina izy ka niresaka taminy ny amin'izay hamadihany an'i Jesosy amin'ireo.Dia faly ireo ka nanaiky hanome vola azy. Ary nanaiky izy ka nitady izay andro hahazoany hamadika Azy amin'ireo amin'ny tsy misy olona."
Izany ny tenin'ny Tompo, Isaorana anié Andriamanitra.

Entisika isanandro ho vatsim-panahy, ho tsakotskona mandritry ny andro sy ny alina ary entina hanavaozana ny fiainana ho fiderana an'Andriamanitra mandrakariva. Tsy ho adinoina ireo tantara, ho fanavotana ny fanahin-tsika.

# Posted on Thursday, 15 November 2007 at 2:33 AM

Edited on Monday, 19 November 2007 at 2:43 AM